<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.L. Hassler</author>
<title>Jereo ny Mpamonjy, izay miakatra FFPM86</title>
<lyrics>[V1]
 Jereo ny Mpamonjy
 Izay miakatra
 Ho ao Jerosalema
 Hanao ny avotra ;
 Na dia be ny ratsy
 Mikendry Azy ao,
 Ny mba hamonjy azy
 No tiany hatao.

[V2]
 Tsy biby manan-daza
 No nitaingenany
 Tsy ny hitady laza
 No nihaviany,
 Kanefa manan-kery
 Handresy ho anao.
 Ny ratrany irery
 No aina ho anao.

[V3]
 Ilay voasatro-tsilo
 Noho ny helokao
 Dia mety sy maniry
 Mba ho Mpanjakanao
 Ny rany sarobidy
 Omeny ho anao;
 Ny lanitra nihidy
 Misokatra aminao.

[V4]
 Ampio mba ho haiko
 Hatolotra Anao,
 Jesosy ô ny aiko
 Ho voninahitrao ;
 Velariko ny foko
 Eo anoloanao,
 Tsy misy tsy ho foiko
 Mba hodiovinao.

[V5]
 Hosana ! ry Mpamonjy,
 Hiraiko ho Anao
 Fa mamin'ny tra-bonjy
 Ny fiderana Anao.
 Hosana, Tompo tsara !
 Soava dia izao !
 Handresy ny devoly
 No anton-dianao.</lyrics>
<hymn_number>86</hymn_number>
</song>